Bedoina (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bedoina vahoaka arabo mpifindrafindra monina an-tany efitra any Atsinanana Akaiky, indrindra any Arabia sy Siria ary Sinay, miaina amin' ny fiompiana osy, ondry ary rameva. Ity vahoaka arabo ity dia misy mponina 4 tapitrisa eo ho eo. Ny anarana hoe "Bedoina" dia avy amin' ny teny arabo hoe البدو / badw na بَدَوِي / badawi na بَدَوِيُّون / badawiyune izay midika hoe "mponina any ambanivohitra" na "mponina any an' efitra". Fantatra amin' ny fiteniny (arabo) sy ny kolontsainy ary ny rafi-piarahamoniny manoka izy ireo. Amin' izao fotoana izao, dia eo amin' ny 5 % eo ho eo amin' ny Bedoina any Afovoany Atsinanana ihany no mbola mpifindrafindra monina, fa ny Bedoina vitsivitsy any Sinay dia mbola manatanteraka fifindrafindrà-monina. Amin' ny Bedoina sasany dia tsy maintsy izay anisan' ny foko bedoina ihany no afaka mitonona ho bedoina, fa ho an' ny hafa dia ilaina ihany koa ny manao ny fiainan' ny mpifindrafindra monina, ka izany dia manilika ireo izay marim-ponenana.