Demôkrasia
From Wikipedia, the free encyclopedia
[[Sary:Mandela voting in 1994.jpg|vignette|Sarin' i Nelson Mandela nandatsa-bato tamin' ny fifidianana tamin' ny taona 1994. Sambany i Mandela no nandray anjara amin' ny fifidianana teo amin' ny fiainany. Ity sary ity dia nalaina tao amin' ny Ohlange School, any Inanda, any Durban ao Afrika Atsimo Ny demôkrasia dia karazana fitondram-panjakana ahitana rafitra ahafahan' ny vahoaka manapa-kevitra momba ny fomba tokony hitondrana ny vondrom-bahoaka na ny firenena na ny fikambanam-pirenena misy azy. Avy amin' ny teny grika hoe δημοκρατία / dēmokratía, izay midika hoe "fanjakan' ny vahoaka" na "fitondram-bahoaka" ny teny hoe demôkrasia.
Ny karazana demôkrasia mahazatra dia ny demôkrasia amin' ny alalan' ny solontena (mpitondra fanjakana) izay fidin' ny olom-pirenena, mba hanapa-kevitra mikasika ny lalàna. Atao isaky ny taona vitsivitsy ny fifidianana ny solontena. Amin' izany fotoana izany dia izay mahazo vato be indrindra no mandresy ary lany hamita ny andraikitra ankinina aminy, mandra-pahatongan' ny fifidianana manaraka.
Ampahany manan-danja ao amin' ny demôkrasian-tsolontena ny antoko pôlitika. Mpikambana ao amina antoko pôlitika na ao amina fikambanana iombonan' ny mpanao pôlitika mitovy hevitra momba ny zavatra tokony hatao ny mpanao pôlitika. Noho izany, eo amin' ny fifidianana dia olona iray fotsiny no fidin' ny olom-pirenena, ny antoko pôlitika misy azy koa. Manao fanamafisana ny demôkrasia matetika ny fanjakana iray mba hahamarin-toerana ny demôkrasia.
Ny demôkrasia, izay manana ny foto-kevitra hoe "fitondrana vahoaka sy sahanin' ny vahoaka ary ho an' ny vahoaka", ohatra dia lazaina fa "mivantana", rehefa omena andraikitra tokoa ny vahoaka amin' ny fanapahan-kevitra rehetra mifandraika amin' ny vondrom-bahoaka, na "misy solontena", rehefa manolotra an-kalalahana ny fahefana hitondra amin' ny olom-boafidy ny vahoaka. Sady heverina ho soatoavina, mamorona tanjona hotratrarina (fahafahan' ny rehetra tanterahina ao anatin' ny fandaminana iombonana), no ho teknikam-pitondram-panjakana ny demôkrasia izay miseho amin' ny môdely sy endrika maro samihafa.