Fiteny mahafaly
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny mahafaly dia endriky ny fiteny malagasy tenenina indrindra any amin' ny faritra nentim-paharazana onenan' ny Mahafaly (distrikan' i Betioky-Atsimo sy Ampanihy Andrefana), eo anelanelan' ny ony Menarandra ao atsimo sy Onilahy ao avaratra. Betsaka zavatra itoviana amin' ny fiteny antandroy ny fiteny mahafaly.