Fiteny tanala
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny tanala dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Tanala: faritra misy ny havoanan' Ikongo, voafaritry ny tanin' ny Betsileo ao andrefana, ny Betsimisaraka sy ny Antambahoaka sy ny Antemoro ary ny Antefasy ao atsinanana, ary ny ony Manampatrana ao atsimo. Anisan' ny fiteny malagasin' ny afovoan-tany ao amin' ny sokajin' ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana izy.