Kônsily tao Kalkedôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Konsily tao Kalkedôna na Kônsily tao Kalsedoana dia kônsily ekiomenika fahaefatra teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana kristiana izay natao tao Kalkedôna na Kalsedoana tamin' ny taona 430. Tamin' ity kônsily ity no nanambaràna ny fananan' i Jesoa natiora roa, dia natioran' Andriamanitra sy natioran' olombelona. Izany kônsily izany no nanoherana an' i Eotikesy, izay nampianatra fa mifangaro ka tsy azo avahana ao amin' ny natioran' Andriamanitra ny natioran' olombelona ao amin' i Kristy. Heverin' ny tao amin' ny kônsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe mônôfizisma. Ny emperora Teôdôsio II no nampanao io kônsily io. Nivoaka tamin' izany ny Fanekem-pinoanan'i Kalkedôna.
Atao hoe concilium Chalcedonense izany amin' ny teny latina fa Σύνοδος της Χαλκηδόνας / Sunodos tês Khalkêdonas kosa amin' ny teny grika.
Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny persônan' i Kristy izay nambaran' i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran' ny kônsily tao Efeso. Nandray anjara betsaka tamin' izany kônsily izany i Flaviano avy any Kônstantinôpôly sy i Leô I avy any Rôma. Mandà ny fanapahan-kevitr' io kônsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "mônôfizita" izay tsy manaiky ny fananan' i Kristy natioran' olombelona.