Karbônina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny karbônina dia singa simika manana eva C ary manana lahatra atômika 6. Ny lanja atômikany dia 12,0107. Efa nisy teto an-tany ny karbônina hatry ny fisian' ny masoandro: vita avy amin' ny niokleôsintezin' ny kintana nipoaka ny karbônina talohan' ny fiforonan' ny masoandro sy ny fajiry. Ny dilatra, ny arintany, ny solitany, ny manjarano (amin' ny pensily) ary ny diamondra dia ahitana karbônina na karazana karbônina mihitsy Ny diamondra mety misy anatin' ny kimberlitan' ny afotroa, indrindra any Afrika Atsimo sy any Arkansas. Mety misy diamondra kely varavety anatin' ny vato avy any amin' ny habakabaka.
Tsy nisy ny karbônina tamin' ny fotoan' ny Big Bang (niokleôsintezy voalohany) satria tsy niaraka ny fepetra ilaina (haingana loatra ny fihamangatsiaka sy ny fiitaran' ny tontolo).
Ny kintana mavesatra no "mamorona" ny karbônina, avy amin' ny heliôma (fiota alfa telo)