From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny lovantsofina dia fampitana mitohy ny singan-kolontsaina iray na maro mandritra ny tantara hatramin' ny zava-mitranga mpanorina na hatramin' ny zava-nitranga tamin' ny fotoana lasa lavitra dia lavitra. Izany lova tsy azo tsapain-tanana izany dia mirakitra ny maha izy azy ny vondron' olona iray, ka mety ho izany no namorona ny foko na vondrom-poko iray. Ny lovantsofina dia fitadidiana ny zavatra izay nisy ka tokony hampitaina amin' ny taranaka mandimby sady hohatevenin' izy ireo. Ny lovantsofina dia mety am-bava na efa voasoratra.
Ao amin' ny fivavahana kristiana dia atao hoe lovantsofina (hoy ny Prôtestanta malagasy) na lovam-pampianarana (hoy ny Katôlika malagasy) ny fanambaràna mitohy ny Vaovao Mahafaly amin' ny Fiangonana amin' ny alalan' ny fifandimbiasan' ny apôstôly (lovam-pampianarana apôstôlika). Raha mampitovy lanja ny lovam-pampianarana amin' ny Soratra Masina ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, ny Prôtestanta kosa dia tsy mandray ho tenin' Andriamanitra afa-tsy izay voasoratra ao amin' ny Baiboly (jereo: Sola scriptura).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.