Pretra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny pretra na mpisorona dia lehilahy na vehivavy manao asa fanompoana masina ao amin'ny fivavahana iray sady manatanteraka asa litorjika no mitarika ny lanonana sy fotoam-pivavahana ao amin'ny fanompoam-pivavahana sasany. Avy amin'ny teny grika hoe πρεσβύτερος / presbýteros izay midika hoe "loholona" ny teny hoe pretra. Ny tena asan'ny pretra dia manatanteraka ny asam-pisoronana. Miandraikitra ny fifandraisan'ny mpino sy ny andriamanitra ivavahany ny pretra, indrindra amin'ny fanatontosana fanompoam-pivavahana sy vavaka sy fisoronana ary zavatra hafa koa ho an'ilay na ireo andriamanitra, ka izany dia atao hahazoan'ny mpivavaka famelan-keloka sy fitahiana ary fanafahana. Ny pretra dia tomponandraikitra miantoka ny fanajana sy ny fitahirizana antsakany sy andavany ny fomba amam-panao ao amin'ny fivavahana.