Tantaran' ny vahoaka jiosy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' ny vahoaka jiosy dia tantaran' ny Jiosy na vahoakan' i Israely izay maharitra eo amin' ny 3 000 taona eo, nanomboka tamin' ny taona 1200 tal. J.K. hatramin' izao fotoana izao. Ny firesahana voalohany ny fisiany ivelan' ny fitantaràn' ny Baiboly dia hita amin' ny tsangambaton' i Merenptah izay naorina tamin' ny taonjato faha-13 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba no nipoiran' izy ireo.