Tsy fetezan-dison' ny Papa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tsy fetezan-dison' ny Papa dia foto-pampianarana na tenim-pinoan' ny Fiangonana katôlika rômana izay milaza fa eo am-panatanterahana ny fahefany dia tsy mety ho diso ny Papa raha manao fanambaràna noho ny fananany fahefana apôstôlika fara-tampony momba ny finoana sy ny fitodran-tena sy noho ny fanampian' Andriamanitra izay miaro azy amin' ny mety ho fahadisoana. Notoherin' ny Prôestanta izany sady niteraka fisarahan' ny Fiangonana katôlika tranainy tamin' ny Fiangonana katôlika rômana.