Vary
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny vary (Oryza amin' ny teny latinina) dia zava-maniry ambolena na eny an-tanimbary mando mandavan-taona, na volena maina an-tanety. Ny vary no zavamaniry manana voamadinika mitana ny laharana faharoa eto an-tany amin' ny voly ho sakafon' olombelona, aorian' ny katsaka, raha ny lanja vokarina no resahina. Fototra amin' ny nahandro malagasy sy aziatika ary indianina izy. Mamboly vary ihany koa ny firenena sasantsasany ao Eorôpa toa an' i Italia, i Espaina, i Rosia, i Gresy, i Pôrtogaly, i Frantsa, i Okrainina ary i Bolgaria.
Ahitana karazany maro arakaraka ny habeny, lokony, tsirony ny vary. Maro koa ny fomba afaka ahandroana azy. Ho an' ny Malagasy dia ny vary maina sy ny vary sosoa no ampifandimbiasina, fa ny firenena hafa dia manao azy ho paty na lasopy na atao tsindrin-tsakafo koa aza (vary amin-dronono).