Zana-pehintany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny zana-pehintany na trôpika dia ireo faribolana mirazotra roa manakaiky ny fehiben-tany (na ekoatera) izay manodidina ny Tany sady mamaritra ny toerana ahitana eo an-tampon-doha ny masoandro amin' ny fotoana mampaharitra indrindra ny andro sady mahafohy indrindra ny alina. Ireo faribolana ireo dia eo amin' ny 23° 26′ 13″ avaratra sy atsimon' ny fehiben-tany ka ny avaratra atao hoe Zana-pehintany Asorotany na Tropikan' ny Asorotany fa ny atsimo kosa atao hoe Zana-pehintany Adijady na Tropikan'ny Adijady.