Fanandroan-kintana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanandroan-kintana dia fanandroana miankina tanteraka amin' ny kintana na ny antokon-kintana (antokon-kintan' ny zôdiaka indrindra) izay azo jerena tokoa eny amin' ny lanitra. Mety ho ny maso fotsiny no enti-mijery izany mivantana na amin' ny alalan' ny fampiasana fitaovana moderna. Miankina amin' ny zôdiakan-kintana ny fanandroan-kintana. Io no fanandroana ampasain' ny firenena aziatika (ny fanandroana indiana atao hoe Jyoyish, ohatra) sy ampahany kely amin' ny mpanandro any amin' ireo Tandrefana. Lasa nalaza tao amin' ireo mpanandro tandrefana io karazam-panandroana io tamin' ny taona 1940 vokatry ny asa soratr' ilay Irlandey atao hoe Cyril Fagan. Misy karazany roa ny fanandroan-kintana, dia ny fanandroana araka ny antokon-kintan' ny zôdiaka sy ny fanandroana araka ny zôdiakan-kintana.