Apôkrifan' ny Testamenta Vaovao
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao dia soratra nataon' ny Kristiana, izay mitantara an' i Jesoa sy ny fampianarany, ny toetran' Andriamanitra, na ny fampianaran' ireo Apôstôly sy ny fiainan' izy ireo. Ny sasany amin' ireo soratra ireo dia nanaovan' ny Kristiana tonon-tsiahy, nefa nanomboka tamin' ny taonjato faha-5 dia nisy ny fifanarahan' ny maro izay nametra ny Testamenta Vaovao ho boky kanônika 27. Amin' ny Fiangonana katôlika rômana sy ny Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ireo Fiangonana prôtestanta amin' ny ankapobeny dia tsy anisan' ny Baiboly ireo boky apôkrifa amin' ny Testamenta Vaovao ireo.
Ny teny hoe "apôkrifa" dia midika hoe "zavatra ampirimina" na "zavatra afenina", avy amin' ny mpamari-toetra latina tamin' ny Andro Antenatenany hoe apocryphus, "miafina" na "tsy kanônika", izay avy amin' ny teny grika hoe ἀπόκρυφος / apokryphos, "manjavozavo", "maizina", avy amin' ny matoanteny hoe ἀποκρύπτειν / apokryptein, "manafina". Avy amin' ny tovona grika hoe "apo" izay midika hoe "lavitra" sy ny matoanteny grika hoe "kryptein" iazay mlidika hoe "manafina", "miafina'.
Io teny mahafaobe io dia matetika ampiasaina hanondroana ireo boky noheverin' ny Fiangonana ho mahasoa, nefa tsy avy amin' ny tsindrimandrin' Andriamanitra. Noho izany, ny filazana ny asa soratra gnôstika ho "apôkrifa" dia mamitaka satria tsy hosokajîn' ny mpino ôrtôdôksa ao amin' ny sokajy mitovy izy ireo. Matetika no nampiasain' ny Rain' ny fiangonana grika ny teny hoe "antilegômena", na "tenenina manohitra”, na dia nisy boky kanônika aza notoherina koa, toy ny Apôkalipsy nosoratan’ i Joany tany Atsinanana.
Matetika ny manam-pahaizana no mampiasa ny teny hoe "pseodepigrafa", izany hoe mitondra anara-mpanoratra sandoka, satria mpanoratra tsy mitonona anarana no nanoratra an' ireo asa soratra izay nampiditra ny anaran' ny apôstôly tamin' ny asasorany, toy ny ao amin' ny Filazantsaran' i Petera, na ny Apôkalipsy etiôpianan' i Henôka: saika ny boky rehetra ao amin' ny Testamenta Taloha sy Vaovao, izay antsoina hoe "apôkrifa" ao amin' ny Prôtestanta dia pseodepigrafa. Ao amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa, izay antsoin' ny Prôtestanta hoe "apôkrifa", dia ahitana ny boky deoterôkanônika: amin' ny Katôlika, ny teny hoe "apôkrifa" dia mitovy hevitra amin' izay antsoin' ny Prôtestanta hoe pseodepigrafa, io teny farany io amin' izany dia saika ampiasain' ny manam-pahaizana manokana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.