![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/00/Artaxerxes_IV_Arses.jpg/640px-Artaxerxes_IV_Arses.jpg&w=640&q=50)
Arsesy
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Arsesy na Artakserksesy IV dia mpajaka persiana tao amin' ny fianakavia-mpajaka akemenida, izay nanjaka tamin' ny taona 338 sy 336 tal. J.K. I Artakserksesy III no teo alohany ary i Dariôsy III no nandimby azy. Atao hoe Ἀρταξέρξης, / Artaksérksês io anarana io amin' ny teny grika, izay avy amin' ny anarana amin' ny teny persiana tranainy hoe Artaxšacā. (amin' ny teny persana: اردشیر یکم / Ardeshir). I Arsesy dia zanak' i Artakserksesy III zandriny indrindra tamin' ny vadiny atao hoe Atôsa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/00/Artaxerxes_IV_Arses.jpg/320px-Artaxerxes_IV_Arses.jpg)
Ny eonoka Bagôasy, mpiambina an' i Artakserksesy III sy namono azy mbamin' ny ankamaroan' ny havany, no nametraka azy teo amin' ny fitondrana. Tsy nahafehy an' i Egipta i Arsesy ka nisy tompontany atao hoe Kababasy izay nitonon-tena ho faraôna tao Egipta Ambony. Nandritra ny fanapahan' i Arsesy dia nanomboka ny adin-tafika tamin' i Makedônia notarihin' i Filipôsy II (taona 359 - 336 tal. J.K.) tao amin' ireo sisintany andrefana aloha, avy eo notohizan' i Aleksandra Lehibe (taona 336 - 323 tal. J.K.).
Nikasa hamono an' i Bagôasy i Arsesy nefa ny an' i Bagôasy no tonga aloha ka nahafaty ilay emperora tamin' ny fanapoizinana. Nametraka an' i Dariôsy III teo amin' ny fitondrana amin' izay i Bagôasy nefa namono azy ity emperora vaovao ity rfehefa avy eo.