Ny Asan' ny Apôstôly dia boky fahadimy ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay mitantara ny fiainan' ny fiangonana kristiana tany am-piandohana. Tohin' ny Filazantsara araka an' i Lioka ity boky ity. Mitantara ny fanatanterahan' ny Apôstôly ny iraka nampanaovin' i Jesoa na Jesosy azy ireo hitory ny Vaovao Mahafaly ao amin' ny Jody na Jiosy sy amin' ny firenena jentilisa na jentily (Asa 1:8) ho lasa zanak' Andriamanitra io boky io. Mitantara koa ny fifandirana nisy teo amin' ny Jiosy tsy kristiana sy ny Kristiana ny amin' i Jesoa ny Asan' ny Apôstôly (Asa 4:1-31; 7:1-59). Araka ity boky ity dia ny Fanahin' Andriamanitra no hitarika azy ireo hitory ny Vaovao Mahafalin' i Jesoa amin' ny firenena rehetra. I Paoly, izay tsy anisan' ny Apôstôly roa ambin' ny folo, no tantaraina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly fa nafana fo indrindra tamin' ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly taorian' ny niovany fo avy amin' ny fivavahana jiosy ho amin' ny fanarahana an' i Kristy. Mifarana amin' ny fitantarana ny fitsidihana voalohany nataon' i Paoly tany Rôma tany am-piandohan' ny taompolo 1960 ity boky ity.

Thumb
I Ananiasy namerina ny fahitan' i Md Paoly

Misy toko 28 ity boky ity. Teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 taor. J.K. no nanoratana azy tamin' ny teny grika tao Rôma.

Anaran' ny boky

Πράξεις των Αποστόλων / Prakseis tôn Apostolôn ny anaran' ny Asan' ny Apôstôly amin' ny teny grika, fa Actus Apostolorum kosa amin' ny teny latina

Ny fanoratana ny boky

Teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 no nanoratana ny Asan' ny Apôstôly. Eo anelanelan' ny filazantsara (na evanjely) sy ny epistily no misy azy. Ny nanoratra ny Filazantsara araka an' i Lioka ihany no nanoratra ny Asan' ny Apôstôly, izany hoe i Lioka. Olona atao hoe Teôfilo no nanoratan' i Lioka ity asasoratra ity.

Famintinana ny vontoatiny

Miresaka momba ny fiandohan' ny Fiangonana voalohany ny Asan' ny Apôstôly. Tamin' ny Pentekôsta na Pentekôty dia nandray ny Fanahy Masina sy nahazo tsindrimandry avy amin' Andriamanitra tao amin' ny "efitrano ambony" tao Jerosalema ny mpianatr' i Jesoa voalohany niisa roapolo amby zato izay nivory: nisy lela mitarehin' afo nipetraka teo ambonin' ny tsirairay amin' izy ireo, izay nanamarika ny fiavian' ny Fanahy nandritra ny fifandraisana an-tsindrimandry izay nahafahan' ny mpianatra niteny amin' ny fiteny hafa ankoatry ny fiteny galileana sy azon' ny vahiny, izay heverin' ny teôlôjiana ho fitenenana amin' ny fiteny maro na ho fitenenana amin' ny fiteny tsy fantatra. Ny fitantarana dia manantitrantitra ny maha ho an' ny olona rehetra ny zava-nitranga, izay mahakasika ny mpianatr' i Jesosy roapolo amby zato - anisan' izany ny Apôstôly roa ambin' ny folo - ka vavolombelon' izany olona avy amin' ny "firenena rehetra", ary anteriny koa ny maha manerana izao rehetra izao izany zava-nitranga izany.

Nandray andraikitra tao amin' ny Fiangonan' i Jerosalema nandritra ny fotoana fohy ihany i Petera na Piera: taorian' ny zavatra nahatsiravina nitranga amin' i Ananiasy sy i Safira (Asa 5:1-11), dia tsy niseho ho mpanapa-kevitra intsony izy, fa ny fivoriamben' ny apôstôly no nisolo azy (Asa 6:2), nampian' ny diakôna fito voalohany. Taorian' ny fanenjehana sy ny fiparitahan' ny Kristiana taorian' ny nahafatesan' i Stefana na Etiena dia nitory ny filazantsara tany Samaria izy, izay nanozonany an' i Simôna Magy, avy eo tany amin' ny tanàna amoron-tsiraka, talohan' ny fivoriamben' ny apôstôly tantaraina ao amin' ny toko faha-15. Nitondra tosika vaovao ho an' ny fiangonana izy, izy no voalohany niditra an-tranon' olona tsy voafora, dia ny kapiteny Kôrnelio avy any Kaisarea (na Kaisaria na Sezarea), izay nataony batisa na batemy mbamin' ny havany, avy eo, nandritra ny Kônsily tao Jerosalema, niaro ny tokony hitoriana ny filazantsara amin' ny jentilisa na jentily.

Niova fo hanaraka an' i Kristy i Paoly nandritra ny diany tany Damaskôsy na Damasy. Nataon' i Ananiasy batisa izy. Avy eo dia tantaraina ny dia maro natao hitoriana ny filazantsara, indrindra fa ny an' i Paoly niaraka amin' i Barnabasy (na Barnabe) sy i Joany Marka (na Jaona Marka), izany hoe i Marka. Nitsidika an' i Kiprôsy (Pafôsy) sy an' i Pamfilia (Perge) izy ireo, ary nitory ny filazantsara manodidina an' i Antiôkia any Pisidia. Nitory tao amin' ny sinagôga i Paoly sy i Barnabasy (na Barnabe) ary matetika no tsy noraisina tsara ary voatery niala tampoka, noho ny lahateny nataon' izy ireo momba ny famonjena sy ny fitsanganan' i Jesoa tamin' ny maty (Asa 13:15-41). Teny an-dalana hody, dia niala avy tao Perge ka nankany Antiôkia avy hatrany izy ireo.

Nodinihina nandritra ny Kônsilin' i Jerosalema na tokony na tsy tokony hitandreman' ny Kristiana jentilisa ny Torah (na Lalàn' i Môizy) ary ny momba ny famorana no tena noresahin' ny Fariseo lasa Kristiana. Niady hevitra ny amin' izany teo anatrehan' ny fiangonana ny apôstôly sy ny presbitera ("loholona" na "antidahy"), ka izany dinika izany dia teo ambany fanelanelanan' i Petera, izay nandray izao fitsipika manaraka izao, izay neken' i Jakôba, mpitarika hafa tao amin' ny fiangonan' i Jerosalema: Andriamanitra dia efa nanadio ny fon' ny Jentilisa amin' ny alalan' ny finoana ny maha Mesia an' i Jesoa, ka tsy misy antony intsony hampiharana ny ziogan' ny Torah amin' izy ireo.

Fizaràn' ny boky

Thumb
Fiakaran' i Jesoa any an-danitra, sary nataon' i John Singleton Copley, taona 1775.

Azo zaraina efatra ny Asan' ny Apôstôly:

Ny Fiangonana voalohany tao Jerosalema (1:1–8:3)

  • Ny fiangonana tao Jerosalema sy ny Kristiana voalohany (1:13–5:42)
  • Ny fanenjehan' i Saoly ny Kristiana (6:1–8:3)

Fitoriana ny vaovao mahafaly tao Jodea sy Samaria (8:4–12:25)

  • Fitoriana ny vaovao mahafaly tao Samaria (8:4-40)
  • Ny fiovam-pon' i Saoly (9:1-31)
  • Ny asa fitoriana nataon' i Petera na Piera (9:32–11:18)
  • Ny fiangonana tao Antiôkia na Antiôka sy ny fanenjehana an' i Paoly (11:19 –12:25)

Fitorian' i Paoly ny Vaovao mahafaly ivelan' i Palestina (13:1–20:16)

  • Dian' i Paoly voalohany hitory ny Vaovao Mahafaly (13:1–14:28)
  • Kônsily tao Jerosalema (15:1-35)
  • Dian' i Paoly faharoa hitory ny Vaovao Mahafaly (15:36–18:22)
  • Dian' i Paoly fahatelo hitory ny Vaovao Mahafaly (18:23–20:16)

Fanenjehana sy fampijaliana nahazo an' i Paoly (21:1–28:31)

  • Fisamborana an' i Paoly tao Jerosalema (21:1–23:22)
  • Nentina tany Kaisarea na Kaisaria i Paoly (23:23–26:38)
  • Nentina tany Rôma i Paoly (27:1–28:31)

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.