Antokon-kintana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny antokon-kintana dia vondron-kintana hita ho toa mifanakaiky sady ampifandraisin'ny eritreritra araka ny kolontsaina sy ny sivilizasiona amin'ny alalan'ny tsipika tsy hita maso ka manome endrika voafaritra. Hatramin'izay nisian'ny tantara dia nampiasain'ny olombelona amin'ny fandrefesana eny amin'ny lanitra sy ety an-tany ny antokon-kintana sady niforonan'ny fedrà maro.
Amin'izao fotoana izao dia nozarain'ny Fiombonana Iraisam-pirenena momba ny Haikintana (frantsay: Union astronomique internationale - UAI) ho antokon-kintana 88 ny kintana eny amin'ny lanitra. Ireo rehetra ireo dia nozaraina amin'ny ila-bolan-danitra atsimo sy ny ila-bolan-danitra avaratra ka misy noho izany ny antokon-kintana avaratra sy ny antokon-kintana atsimo.