Bahamasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bahamasy na Commonwealth of the Bahamas dia firenena ao amin' ny faritra karaiba, anisan' ny nosy Antilia, ao amin' ny Ranomasina Karaiba, any ivelan' i Karaiba no misy azy. I Bahamasy dia tamba-nosy any atsimo-atsinanan' i Florida ary any avaratr' i Kioba. Ny renivohiny dia i Nassau (ao amin' ny nosin' i New Providence no misy azy). Ny anaran' ny vahoaka ao dia Bahameana na Bahamiana.
Tangoro-nosy midadasika ny tanin' ity firenena ity, izay ahitana nosy miisa 700 any ho any, ka ny 40 amin' izany ihany no onenan' olona. Tsy dia avo ny vohon-tany any: ny tendro farany avo dia manana haambo 60 m monja.
Ao New Providence, izay nosy lehibe indrindra any, no onenan' ny antsasaky ny mponin' i Bahamasy. Ny fizahàn-tany izay mandroso tokoa no sehatr' asa lohalaharana ao amin' io firenena io. Ny sehatr' asa ara-bola koa dia mitana anjatra toerana lehibe satria anjatony maro ny banky miorina ao amin' ilay firenena.
Zanatany britanika taloha i Bahamasy izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1973, sady mpikambana ao amin' ny Commonwelth.