Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy dia fandikana ny Baiboly ampiasain' ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina eto Madagasikara. Efa misy fanitsiana natao io Baiboly io, anisan' izany ny Baiboly amin' ny dikan-teny tranainy (1938) izay ahitana ny anaran' Andriamanitra hoe Iahve sy ilay Baiboly tsy ahitana an' io anarana io (2011). Ny anaran' ny Baiboly katôlika dia Ny Baiboly Masina. Tamin' ny taona 1938 no nahavitana printy ny Baiboly katôlika voalohany amin' ny teny malagasy, nefa amin' izao dia ampiasaina ilay vita tamin' ny taona 2011. Toy ny Baiboly katôlika rehetra dia ahitana boky kanônika miisa 73 ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy, anisan' izany ny 46 ao amin' ny Testamenta Taloha (izay ahitana ny boky prôtôkanônina sy ny boky deoterôkanônika) sy boky 27 ao amin' ny Testamenta Vaovao.