Bokin' i Amôsa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Amôsa na Bokin' i Amôsy dia bokim-paminaniana ao amin’ ny Baiboly hebreo (Tanakh) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Ao amin’ ny zana-tsokajy atao hoe "Mpaminany madinika roa ambin’ ny folo" izay ao amin’ ny sokajy lehibe atao hoe "Mpaminany" (hebreo: Nebi'im na Nevi'im) io boky io. Mirakitra faminaniana ny amin’ ny tsy fisian’ ny fahamarinan’ ny fiarahamonina tao amin’ ny Fanjakan’ i Israely sy ny ho setrin’ izany, ny amin’ ny fanamelohana ny fahotan’ i Israely sy i Jodà ary ireo firenana mpifanolo-bodirindrina aminy, ny amin’ ny fitsaran’ Andriamanitra sy ny hamerenana indray ny fiadanan’ i Israely aorian’ izany ny boky. Mankalaza ny maha tsy hay tohaina an’ Andriamanitra koa io boky io. Tamin’ ny fotoana nanjakan’ i Jerôbôama II (taona 788-747)[1] izay nampamirapiratra ny Fanjakan’ i Israely, nefa nisian’ ny fangejana ny mahantra, no nanambaràn’ i Amôsa (na Amôsy) ny hafatr’ Andriamanitra. Nifanandrify amin’ ny nanjakan’ i Ozia (atao hoe koa Azaria na Azariasa) tany amin’ ny Fanjankan’ i Jodà izany.