Bokin' ny Deoterônômia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' ny Deoterônômia, Bokin' ny Deoterônômy, na Bokin' ny Dinampihavanana izay hafohezina amin' ny hoe Deoterônômia na Deterônômy na Dinampihavanana, dia boky fahadimy ao amin' ny Baiboly, ao amin' ny Testamenta Taloha ary boky fahadimy sady farany ao amin' ny Pentateoka, izay manantitra ny momba ny lalàna sy ny amin'ny tsy maitsy hanajana azy araka ny efa voalaza rahateo ao amin' ireo bokin-dalàna telo voalohany (Eksôdosy, Levitikosy, Nomery). Ny Bokin' ny Deoterônômia ao amin’ ny Baiboly jiosy dia isan’ ny Tôrah, fa ao amin’ ny Baiboly kristiana kosa dia isan’ ny Pentateoka.