![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/81/Cattle_Wau_Sudan.jpg/640px-Cattle_Wau_Sudan.jpg&w=640&q=50)
Dinka (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Dinka dia vahoaka nilôtika teratany any Sodàna Atsimo. Ny Dinka dia minina manamorona an' i Nily ny ankamaroany, manomboka any Mangalla-Jonglei ka hatrany Renk, ao amin' ny faritr' i Bahr el Ghazal, Nily Ambony (roa amin' ny faritany telo izay anisan' ny tapany atsimon' i Sodàna taloha), sy ny faritr' i Abyei ao amin' ny Ngok Dinka any Sodàna Atsimo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/81/Cattle_Wau_Sudan.jpg/640px-Cattle_Wau_Sudan.jpg)
Manodidina ny 4,5 tapitrisa izy ireo, araka ny fanisam-bahoaka tao Sodàna tamin' ny taona 2008, izay 40 %-n' ny mponina ao amin' io firenena io sady foko lehibe indrindra any Sodàna Atsimo. Ny Dinka dia manondro ny tenany ho Muonyjang (raha tokana) ary Jieng (raha maro).