From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny dipoavatra dia voan-javamaniry fanatsarana tsiron-kanina somary mafana avy amin' ny zavamaniry mitovy anarana aminy, izay vahy . Telo ny karazana dipoavatra fantatra, dia ny dipoavatra mainty (PIper nigrum), izay ahazoana ny dipoavara maitso, fotsy, mena na mainty, sy ny dipoavara kobeba (peper cubeba) ary ny dipoavatra lava (Piper longum), nefa ao koa ny dipoavatra voatsiperifery (Piper borbonense).
Ny karazana telo atao hoe Piper nigrum sy Piper cubeba ary Piper longum no fantatra indrindra amin'ny fikarakarana sakafo ka antsoina hoe "dipoavatra". Ao koa ny Piper borbonense.
Ny dipoavatra mainty (Perer nigrum) dia avy any Malabar any India, izay volena amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany mba hahazoana ny voany mba hanatsarana ny sakafo amin' ny alalan'ny tsirony mafanafana.
Ny dipoavatra lava (Piper longum) dia dipoavatra avy any India, izay maniry hoazy eny antsisin' ny tendrombohitra Himalaya. Mafana kokoa ny tsiron'ny dipoavatra lava sady somay mamimamy nefa tsy mahery tahaka ny dipoavatra mainty.
Ny dipoavatra kobeba (Piper cubeba) dia karazana dipoavatra avy any Azia Atsimo-Atsinanana. Mahery kokoa noho ny dipoavatra mainty ny tsirony, ao amin' ny vovoka karỳ (curry) no tena ampiasana azy. Azo hanina mivantana amin' ny fitsakotsakoana ny voany ny dipoavatra kobeba ka mamela tsiro toa mangatsiatsiaka ao anaty vava.
Piper borbonense
Ny dipoavatra voatsiperifery (Piper borbonense) dia karazana dipoavatra hita aty Madagasikara izay maniry hoazy nefa azo ampiasaina hanatsarana ny tsiron-tsakafo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.