From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny dispensasiônalisma dia foto-pampianarana kristiana evanjelika miorina amin' ny fanakarana ny hevitry ny Tantara araka ny Baiboly ka andinihana ny fomba ampiasan' Andriamanitra amim-pahefana ny fanjakàny eto amin' izao tontolo izao mba hanatrarany ny tanjony. I John Nelson Darby[1] no nandrafitra izany ho fampianarana tao amin' ny asasorany sady namelatra azy tao amin' ny fihetsiketsehana ara-pilazantsara sy mpitazona ny rakitry ny ela, dia ny Fiangonan' ny Mpirahalahy (anglisy: Plymouth Brethren; frantsay: Assemblées des Frères) izany, izay lasa nalaza noho ny fivoasana nataon' i Cyrus Scolfield[2] [3].
Ny dispensasiônalisma dia manolotra fivoasana ny Bokin' ny Apôkalipsy, tsy toy ny fitantarana zavatra efa lasa (preterisma), fa amin' ny maha firesahana zavatra mbola ho avy azy[4]. Hita ao amin' ireo fiangonana evanjelika, indrindra ny ao Etazonia, ny dispensasiônalisma, ka isan' izany ireo fikambanam-pinoana kristiana tsy miankina amin' ny fiangonana, ny Fiangonana baptista sy ny Fiangonana pentekôtista ary ireo fikambanam-panavaozana karismatika. Isan' ny manaiky ny fisian' ny atao hoe dispensasiôna na fotoam-pitantanana ny Olomasin' ny Andro Farany. Ny isan' ny Kristiana manaraka ny dispensasiônalisma ao Etazonia fotsiny dia 5 000 000[5] na 18 000 000-25 000 000[6] na 40 000 000[7], arakaraka ireo mpanao tombana. Amin' ny ankapobeny dia mitsipaka ny dispensiônalisma ny fiangonana prôtestanta maro hafa.
Miseho miandalana ny fanambaràn-tenan' Andriamanitra hatramin' i Adama ka hatramin' i Jesoa Kristy. Ny dispensasiôna (na fotoam-pitantanana) dia ahafahana mamaritra dingana miavaka tsara ao amin' ny fanambaràn-tenan' Andriamanitra. Ireo dingana ireo anefa tsy vanimpotoana fotsiny ao amin' ny fanambaràna ny fifanekem-pahasoavana, fa fitondrana miavaka tsara eo amin' ny fitarihan' Andriamanitra ny raharaha eto amin' izao tontolo izao.
Zavatra telo indrindra no iorenan' ny dispensasiônalisma:
Ny dispensasiôna dia fotoana isedrana ny olombelona arakaraka ny fankatoavany ny fomba iray miavaka isehoan' ny fanambaràna ny sitrapon' Andriamanitra[7]. Ny dispensasiônalisma dia mamaritra dingana (dispensasiôna) fito ao amin' ny tantaran' ny zanak' olombelona ka ny dingana tsirairay dia miavaka noho ny karazam-pifandraisana misy eo amin' Andriamanitra sy ny olombelona. Ireto avy izy ireo:
Ny fiantombohan' ny dispensasiôna iray dia tsy voatery midika fiafaran' ny dispensasiôna eo alohany. Noho izany ny dispensasiônalisma dia mandray ny andalana tsirairay ao amin' ny Baiboly araka ny zava-nitranga ara-tantara manodidina azy sady tsy tokony ho raisina ara-bakiteny amin' ny vanimpotoana ankehitriny (vanimpotoan' ny fahasoavana) izany raha tsy hamarinin' ny foto-pampianarana kristiana voarakitra ao amin' ny Asan' ny Apôstôly sy ao amin' ny Epistily.
Araka izany fampianarana izany dia ho avy amin' ny andro farany i Kristy hiaraka amin' ny fambara maro mifanesy (fampakarana ny Fiangonana any an-danitra, adim-pirenena, fisehoan' ny fandaminana ara-pôlitika sy ara-toekarena vaovao, fahatongavan' ny Antikristy, ady ao Haramagedona), ka hametraka ny fanjakam-piadanana mandritra ny 1 000 taona, alohan' ny hiavian' ny fitsarana farany.
Teôlôjia isam-piangonana
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.