From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanahy, araka ny karazam-pinoana sy fivavahana maro, dia zavatra manan-tsitrapo sy manana fahatsiarovan-tena nefa tsy azo tsapain-tanana, izay mety ho hitan' ny maso indraindray, ka heverina fa manana hery tsy araka ny mahazatra, sady mety hampianjady ny hery sy ny fahefany amin' ny tontolo tsapa. Fanahy, ohatra, ny fanahin' ny olona maty, ny demony, ny andriamanitra, ny matoatoa, ny anjely, sns. Maro ny taranja sy sehatra andinihana sy iresahana ny fanahy, ka isan' izany ny fivavahana, ny teôlôjia, ny finoana, ny angano, ny fedrà, ny fomban-drazana, ary ny fanaovana mazia.
Ny fanahin' ny vatana dia fanahy fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina sy mahatonga azy hanana saina.
Ny angatra dia ny fanahin' ny olona maty izay miala aminy ka mandehandeha sy miseho amin' ny velona.
Ny andriamanitra dia fanahy inoana fa manana hery mihoatra ny an' ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan' ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana.
Ny anjely dia fanahy any an-danitra, izay irahin' Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin' ny tany sady ho mpampita ny hafatra momba ny sitrapon' Andriamanitra amin' ny olona.
Ny demony dia fanahy manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan' ny olombelona entiny hanao ny ratsy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.