Fiangonan' i Angletera

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fiangonan' i Angletera

Ny Fiangonan' i Angletera dia fiangonana anglikana niorina ao Angletera tamin' ny taonjato faha-16 tamin' ny nanambarany ny tenany ho fiangonana tsy miankina amin' ny fitondran' ny papa tamin' ny taona 1534, ka niteraka ny anglikanisma izay sampan' ny kristianisma eo anelanelan' ny katôlisisma sy ny prôtestantisma. Atao hoe Church of England izy amin' ny teny anglisy.

Thumb

Ny Fiangonan' i Angletera no "fiangonana reniny" ho an' ny Fiombonambe Anglikana. Ny arsevekan' i Cantorbery no lehiben' ny Fiangonan' i Angletera. Ny mpanjakavavy Elizabeth II no governora fara tampon' ny Fiangonan' i Angletera amin' ny maha andriamanjakan' ny Fanjakana Mitambatra azy.

Ny faritra misy ny fanapahan' ny Fiangonan' i Angletera dia i Angletera, ny nosin' i Man (diôsezin'i Sodor sy Man), ireo nosy Anglô-Nôrmanda (ampahan'ny diôsezin'i Winchester). Maro amin'ny fianakaviambe anglikana any Eorôpa, any Rosia, any Torkia ary any Marôka no mitambatra ao amin'ny diôsezin'i Gibraltar ay Eorôpa. Ireo diôsezin'i Wales dia tao amin'ny Fiangonan'i Angletera nefa nahazo fahaleovan-tena izy ireo tamin'ny taona 1920 ka namorona ny Fiangonana ao Wales (Church in Wales amin'ny teny anglisy). Sady katôlika no nohavaozina ny Fiangonan'i Angletera.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.