Fifandraisan-davitra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fifandraisan-davitra (amin'ny teny frantsay : télécommunication) dia voafaritra amin'ny fampitana fampahalalana amin'ny alalan'ny fitaovana elektrônika ary informatika.
Ny anisan'ny nampandroso ny fifandraisan-davitra dia i Antonio Meucci, A. Graham Bell ho an'ny telefaonina na i Guglielmo Marconi ho an'ny fifandraisan-davitra tsy misy tariby. Amin'izao fotoana, ny fifandraisan-davitra dia mikasika ny fitaovana elektrônika ampairahana amin'ny tambajotra analôjika na niomerika toa ny telefaonina na ny finday, ny radiô, ny televiziôna na ny solosaina.