Fiitatry ny isam-ponina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny atao hoe fiitatry ny isan'ny mponina na fiitatra demografika dia midika ny fiovan'ny isan'ny mponina arakaraky ny fotoana isiana.
Ny fiitatry ny isan'ny mponina dia voazara ho fizarana roa :
- Ny voalohany dia ny fiitatra natoraly ; miankina amin'ny isan'ny olona teraka sy ny isan'ny olona maty isaky ny mponina arivo ao anatin'ny velarantany nofaritana ary anatin'ny fe-potoana iray (matetika herintaona no ampiasaina).
- Ny faharoa dia ny fiitatra noho ny fifindra-monina ; miankina amin'ny fiitatra natoraly sy ny isan'ny mponina tonga ao anatin'ny velarantany nofaritana ary ao anatin'ny fe-potoana iray.
Raha miiba ny tambatr'ireo fiitatra roa irao. Mihena ny isam-ponina. Mety tsy mitombo mihitsy koa ny isan'ny mponina ary rehefa izany dia atao hoe "tsy-fiitarana".