![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b9/Early-Historical-Israel-Dan-Beersheba-Judea-Corrected.png/640px-Early-Historical-Israel-Dan-Beersheba-Judea-Corrected.png&w=640&q=50)
Filistina (ao amin' ny Baiboly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Filistina dia firenena tamin' ny Andro Taloha izay resahina amin' ny Baiboly, nanorim-ponenana tamin' ny tany atsimo andrefana manamorona ny Ranomasina Mediteranea ao Kanaana izy ireo, izany hoe amin'ny morontsiraka avy ny Gaza hatrany Jaffa ankehitriny. Hatramin' ny Bokin' ny Genesisy ka hatramin' ny Boky voalohan' ny Makabeo dia ahitana firesahana ny Filistina sy ny taniny ny ao amin' ny Baiboly. Niady matetika tamin' ny Israelita ny Filistina tamin' ny andron' ny mpitsaran' i Israely sy tamin' ny vanimpotoana faha mpanjaka, nefa tamin'ny farany dia resin' ny fanjakan' i Jodà izy ireo ka nifangaro tamin' ny mponin' ny firenena resin' ny mpanjakan' i Jodà taty aoriana. Filistina i Gôliata, ilay lehilahy goavambe niady tamin' i Davida.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b9/Early-Historical-Israel-Dan-Beersheba-Judea-Corrected.png/640px-Early-Historical-Israel-Dan-Beersheba-Judea-Corrected.png)