From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsinanan' i India. Ny teny hoe aostrôaziatika dia avy amin' ny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostrôaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelanin' ny faritra itenenana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any amin' ny tapany atsinanan' i India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohan' ny fianakaviam-piteny tai-kaday, fianakaviam-piteny aostrôneziana, fianakaviam-piteny sinô-tibetàna ary fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay nentin' ny mpiavy taty aoriana. Miisa 100 000 000 any ho any ny mpiteny aostrôaziatika tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.
Ireto avy ny sampan' ny fianakaviam-piteny aostrôaziatika: ny fiteny monda, ny fiteny kasîka, ny fiteny palaongika, ny fiteny kmoika, ny fiteny pakanika, ny fiteny vietnamita, ny fiteny katoika, ny fiteny banarika, ny fiteny kamboiana, ny fiteny pearika, ny fiteny nikôbarey, ny fiteny asly ary ny fiteny môna.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.