Fiteny aostrôneziana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny aostrôneziana dia ny fiteny tenenina eto Madagasikara, any Azia Atsimo Atsinanana, ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika ary any Taioàna. Ny isan' ny fiteny aostrôneziana manerana izao tontolo izao dia eo amin' ny 1 268, izany hoe vondrom-piteny faharoa raha ny isan' ny fiteny no heverina, aorian' ny fiteny nizerôkôngôley.
Ny anarana hoe aostrônezia, izay avy amin' ny teny latina hoe auster (midika hoe "rivotra atsimo") sy ny teny grika hoe νῆσος / nêsos (izay midika hoe "nosy") dia midika ara-bakiteny hoe "nosin' ny rivotra atsimo".
Miisa roa ny zana-tsokajin' ny fiteny asotrôneziana: ny fiteny fôrmôzana, izay tenenina ao Taioàna, sady misampana efatra, sy ny fiteny malaiô-pôlineziana any amin' ny toerana hafa ankoatr' i Taioàna. Ny nipoiran' ireo fiteny ireo dia tokony ho tao amin' ny tendrony atsimo atsinanan' i Sina na Fôrmôzy (na Taioàna) izay mbola ahitana mponina miteny aostrôneziana. Ny fiteny melaneziana, izay tokony ho anisan' ny fiteny aostrôneziana, dia tsy nafangaron' ny mpahay fiteny noho ny antony ara-bolon-koditra.
Raha jerena ny toetr' ireo fiteny ireo dia hita fa toetra roa no iavahany amin' ny fianakaviam-piteny hafa, dia ny fomba fampisampanan-teny sy fanakambanan-teny ao aminy:
- ny fampisampanan-teny amin' ny alalan' ny fanampiana tovona sy tovana sy tsofoka ary tsirinteny sara-droa (tovona sy tovana miaraka) amin' ny fototeny,
- ny fisian' ny teny verindroa,
ary ny rafi-peo izay tsotra (vitsy ny renifeo sy ny zanapeo, vitsy na tsy misy ny tamba-drenifeo sarotra tononina, fehezanteny ahitana rindran-janapeo, sns).