Fiteny indô-ariana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny indô-ariana dia ny fiteny mamorona sampana iray ao amin' ny vondrom-piteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo: eo amin' ny roa ampahatelo avaratr' i India, ao Pakistàna, ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Afganistàna, ao Bangladesa, ao Nepaly, ao Srilanka ary ao Maldiva.
Antsasaky ny fitambaran' ny mponina miteny indô-eorôpeana ny mpiteny indô-ariana, izany hoe any amin' ny 1 500 000 000 any ho any. Ny tena maro mpampiasa dia ny fiteny hindostany (fiteny hindy sy fiteny ordo: olona miisa 240 000 000 any ho any), ny fiteny bengaly (olona 230 000 000 any ho any), ny fiteny penjaby (olona 90 000 000 any ho any), ny fiteny maraty (olona 70 000 000 any ho any), ny fiteny gojaraty (olona 45 000 000 any ho any), ny fiteny ôrià na ôdià (olona 30 000 000 any ho any), ny fiteny sindy (olona 20 000 000 any ho any), ny fiteny nepaley (olona 14 000 000 any ho any), ny fiteny singaley (olona 16 000 000 any ho any), ny fiteny seraiky (olona 14 000 000 any ho any), ary ny fiteny asamey (olona 13 000 000 any ho any).
Zana-bondrona lehibe indrindra ao amin' ny ftambaran' ny fiteny indô-iraniana - izay ahitana koa zana-bondrona roa hafa, dia ny zana-bondrona foronin' ny fiteny iraniana sy ny an' ireo fiteny noristany - ny fiteny indô-ariana.