![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1a/Dharmic_religions.jpg/640px-Dharmic_religions.jpg&w=640&q=50)
Fivavahana darmika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fianakaviam-pivavahana darmika, izay atao hoe fivavahana indiana koa, dia ahitana ireo fivavahana teraka tao amin' ny Zana-kôntinenta Indiana, dia ny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma mbamin' ireo firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' izy ireo, izay manorina ny teôlôjia sy ny filôzôfiany amin' ny atao hoe "darma" (dharma), teny sanskrita mahafaoka ny hevitry ny hoe "lalàna", "toromarika", "adidy", ary indrindra amin' ny heviny ara-panahy momba ny lalànan' ny voajanahary sy ny zavamisy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1a/Dharmic_religions.jpg/320px-Dharmic_religions.jpg)
Ny fivavahana darmika dia misy vokany amin' ny fiainan' ny vahoaka ao amin' ny zana-kôntinenta indiana, ao Azia Atsinanana ary ao Azia Atsimo-Atsinanana. Tsy dia hita ireo fivavahana ireo any ivelan' ireo faritra ireo. Ireo fivavahana ireo koa dia mifandray amin' izy samy izy.