Fizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fizakan' i Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay dia efa nanomboka tamin' ny taona 2014[1], nefa efa aty amin' ny taona 2023 vao nivoaka tamin' ny tambajotran-tserasera miaraka amin' ny porofo tsy azo lavina ny momba izany. Niteraka ady hevitra izany vaovao izany ka hevitra isan-karazany no nivoaka momba ny fananan' i Andry Rajoelina zom-pirenena tokana (frantsay) na roa (malagasy sy frantsay) sy ny maha ara-dalàna na tsia ny naha filohan' ny Repoblika azy nanomboka tamin' ny taona 2019 sy ny filatsahany ho fidina filohan' ny Repoblika amin' ny taona 2023.