Fizaràn-taona
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fizaràn-taona dia fari-potoana ao anatin' ny taona izay ahatsapana tsy fiovana firy eo amin' ny toetrandro (fisian' ny orana na tsia, rivotra mifofofofo na tsia, orampanala na tsia, hazavana sy hafanan' ny masoandro na tsia, sns) izay mifandray amin' ny tsingerim-piainan' ny zavaboary (fitsirin' ny zavamaniry, fiovan-toetran' ny biby, sns). Ampifadraisin' ny olona amin' ny asa fivelomany koa ny fizaran-taona, indrindra ny fambolena sy ny fiompiana.
Tsy mitovy ny isan' ny fizaràn-taona arakaraka ny toetany na ny firenena na ny kolontsain' ny mponina ka ao ny mizara ny taona ho roa (toetany trôpikaly: asara sy asotry), ny mizara azy ho telo, ny mizara azy ho efatra (toetany antonony: lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina) ary ny mizara azy ho enina (fizaràn-taona indiana), sns.