Ny framasôneria dia fikambanam-pirahalahiana izay mamototra ny fiaviany any amin' ny fikambanan' ny mpanapaka vato fanorenana izay, nanomboka tamin' ny faran' ny taonjato faha-14, nanara-maso ny fepetra takina amin' ny mpanapaka vato sy ny fifandraisany amin' ny manampahefana sy ny mpanjifa. Ahitana vondrona roa lehibe nahazo fankatoavana ny framasôneria ankehitrfiny amin' ny ankapobeny: (1) ao ny Framasôneria anglô-amerikana, izay manizingizina fa tokony hisy ny boky misokatra ao amin' ny "Trano" (frantsay: loge; anglisy: lodge) miasa, fa tokony hanambara ny finoany ny Avo Indrindra ny mpikambana tsirairay, fa tsy tokony hisy vehivavy azo raisina, (2) ary ao koa ny Framasôneria an-tanibe, izay nanala ny fameperana sasany na izy rehetra izay voalaza eo loha ireo.

Thumb
Ny efamira sy ny kompà masônika, mety hahitana na tsia ny litera G

Ny vondrona fototra sy isan-toerana misy ny framasôneria dia ny "Trano" (frantsay: loge; anglisy: lodge). Matetika ireo trano tsy miankina ireo no eo ambany fanaraha-mason' ny ambaratonga eo amin' ny faritra (matetika mifanandrify amina fanjakana na faritany na firenena) sahanin' ny "Tranobe" (frantsay: Grand loge na Grand orient; anglisy: Grand Lodge na Grand Orient). Tsy misy ny Tranobe iraisam-pirenena na maneran-tany, izay tokony hanara-maso ny faramasôneria rehetra; ny Tranobe tsirairay dia mahaleo tena, ary tsy voatery hifampihevitra ho ara-dalàna izy ireo.

Ny diplôman' ny framasôneria dia ny mari-pahaizana telo tamin' ny fikambanana mpanao asa tanana tamin' ny Andro Antenatenany, dia ny an' ny zazavao niditra (anglisy: Entered Apprentice) sy ny an' ny namana mpiara-miasa (anglisy: Journeyman na fellow na Fellowcraft) ary ny an' ny mpandrafi-bato mpampianatra (anglisy: Master Mason). Ampianarina tsikelikely ny hevitra fonosin' ny marika ao amin' ny framasôneria ny mpilatsaka amin' ireo mari-pahaizana telo ireo ary raisin-tanana sy tolorana famantarana sy teny mba hampahafantarana amin' ny mpikambana hafa fa efa nampianarina izay tokony ho fantany izy.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.