Guangxi
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Guangxi (广西 / 廣西, Guǎngxī, tsipelina : Kouang-Si) dia faritany mizaka-tenan'ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Ny anarany ôfisialy dia Zhuang-n'i Guangxi, fa ampatelon' ny isan' ny mponina any Guangxi fotsiny ny isan' ny olona manan-drazana Zhuang. Any atsimon' i Sina no misy ny faritanin' i Guangxi, ary mizara sisintany amin' i Vietnamy ilay faritany. Tsy mivoatra tahaka ny faritanin' i Guangdong ny faritan' i Guangxi amin' ny lafiny toekarena.