From Wikipedia, the free encyclopedia
I Herôdôtôsy dia mpahay tantara sy jeôgrafa ary mpanao pôlitika teraka tamin' ny taona 484 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 425 tal. J.K. Atao hoe Ἡρόδοτος / Herodotos ny anarany amin' ny teny grika.
Herôdôtôsy | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Herôdôtôsy | ||
Teraka | 484 tal. J.K. | ||
Maty | 425 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : |
| ||
Fiainana manokana | |||
Amin' ny fiheverana azy ho mpahay tantara voalohany dia ataon' i Tsitserô hoe "Rain' ny Tantara" izy noho ny nanoratany ny sanganasa lehibe, dia ny Tantara - atao hoe Fanadihadiana koa, izay miompana amin' ny adin-tafika medika, nefa tsy voafetran' ny fitantarana an' izany ihany: nohazavainy ny anton' ny adin-tafika sady mitantara zavatra hafa mifanindran-dalana izy, momba ny tantara, ny fomban-tany ary ny firenen' ireo mpandray anjara amin' ny ady sy ny firenena maro hafa manodidina an' i Mediteranea, ka mpialoha lalana ireo misahana ny tantaran' ny firenena rehetra izy.
Ny fitantarany ny dia nataony dia andaharana azy ho isan' ny jeôgrafa voalohany ary ny fanazavana nataony ao amin' ny Resaka nifanaovan' i Ôtnesy sy i Megabisy ary i Dariôsy dia isan' ny tahirin-kevitra voalohany marina ahitana fanasarahana sy fampitahana ny karazana fitondram-panjakana (demôkrasia, ôligarsia, mônarsia).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.