Ny hoala dia ampahan-dranomasina na ampaham-parihy mandroso miditra mankany anaty tany. Lehibe kokoa noho ny helodrano ny hoala. Na dia izany aza dia mifangaro ny fampiasana ny teny malagasy hoe hoala sy ny hoe helodrano.
Hoalan' i Kalifôrnia (Meksika), antsoina koa hoe Ranomasin' i Cortés (ho fanomezam-boninahitra an' i Hernán Cortés, kônkistadôra) sy ny Ranomasina Vermilion.
Hoalan' i Kôrea (Sina - Kôrea Avaratra), antsoina koa hoe Helodranon' i Kôrea na Helodranon' i Kôrea Andrefana.
Hoalan' i Bengal (Azia Atsimo), na Helodranon' i Bengal (avy amin' ny teny anglisy).
Hoalan' i Biscay (Frantsa - Espaina), antsoina hoe Ranomasina Cantabrica (avy amin’ ny fiteny any Espaina).
Hoalan' i La Napoule (Alpes-Maritimes, Frantsa), eo anelanelan’ ny tendron’ i Croisette sy ny tendron’ i Aiguille, antsoina koa hoe Helodranon’ i Cannes.
Hoalan' i Thermaic (Gresy), antsoina koa hoe Hoalan' i Tesalônika.