Iràna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Iràna na Repoblika Islamikan' i Iràna dia firenena ao Azia Andrefana. Ny renivohiny dia i Teheran. Atao hoe ایران [ʔiˈɾɒn] na جمهوری اسلامی ایران / Jomhuri-ye Eslāmi-ye Irān izy amin' ny fiteny persana. Ny anarana nohagasina hoe Iràna dia avy amin' ny fiteny persana izay midika hoe "Tanin' ny Arianina", ary efa nampiasain' ny Persiana hatry ny Andro Taloha, tamin' ny andron' ny Sasanida. Persia no fiantsoan' ny Tandrefana an' i Iràna nanomboka tamin' ny Andro Taloha hatramin' ny taona 1935. I Reza Shah no nanova izany ho Irān tamin' io taona io tamin' ny alalan' ny fangatahana amin' ny firenena rehetra izay mifandray aminy hiantso an' ilay firenena hoe "Irān".
جمهوری اسلامی ايران ((fa)) | |||||
Jomhuriye Eslāmiye Irān fa | |||||
Repoblika Islamikan'i Iran ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Esteghlāl, Āzādi, Jomhuri-e Eslāmi («Fahaleovan-tena, Fahafahana, Repoblika Islamika») | |||||
Teny ofisialy | persana | ||||
Renivohitra | Teheran 35°40′29″N 51°25′20″E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Teheran | ||||
Fitondrana sy governemanta - Rahbar - Filoha |
Repoblika Islamika Ali Khamenei Mahmoud Ahmadinejad | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 16 1 648 195 km² 0,7 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2011) - hakitroka |
faha 17 77 891 220 mpo. 40 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | Iranianina | ||||
IDH (2007) | (mitombo) 0,782 (antonony) faha-88 | ||||
Sandam-bola | Rial iranianina (IRR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +3:30 | ||||
Hiram-pirenena | Ey Iran (de facto), Soroud-e Melli-e Jomhouri-e Eslami-e Iran (ofisialy), | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+98 |
Firenena faha-18 be velarana indrindra (1 648 000 km2) i Iràna; 78 tapitrisa ny isan' ny mponina ao aminy. I Armenia sy i Azerbaijàna ary i Torkmenistàna no firenena manodidina azy ao avaratra; ny Hoala Persika no ao atsimo; i Iràka sy i Torkia no firenena manodidina azy ao andrefana; i Pakistàna sy i Afganistàna no ao atsinanany. Ny vola ampiasaina ao Iràna dia ny Rial. Ny kalandrie persana no kalandrie ôfisialy ary ny fiteny persana no fiteny ôfisialy.
Ahitana lembalemba avo, izay manana salan-kaambo 1 300 m, ny ampahany be amin' ny tanin' i Iràna. Ahitana tany efitra roa lehibe ny any, dia i Dasht-e Kavir ao avaratra sy i Dasht-e Lut ao atsimo-atsinanana. Hodidinin’ ny tangoron-tendrombohitra maro koa i Iràna: ao avaratra manamorona ny Ranomasina Kaspiana no misy an' ny tangoron-tendrombohitra Alborz; ao atsimo-andrefana i Zagros. Ny toerana iva indrindra any Iràna dia ny Ranomasina Kaspiana izay 28 m ambanin' ny haambon' ny ranomasina. Toetanin-tanibe maina ny toetanin' i Iràna, izay ahitana fiovaovana lehibe eo amin' ny mari-pana.
Haingam-pitombo sady betsaka tanora (ny 44 % dia latsaky ny 15 taona) ary monina an-tanan-dehibe (ny 65 %, na mihoatra, dia monina an-tanàn-dehibe) ankamaroan' ny mponina ao Iràna. Ny Persiana sy vahoaka vitsy anisa maro (anisan' izany ny Azery, ny Balotsy, ny Torkmena, ny Kiorda ary ny Arabo) no madrafitra ny mponina any Iràna. Ny fivavahana silamo no fivavahan' ny 99 % amin' ny mponina any Iràna.
I Iràna no mpanondrana solitany fahefatra maneran-tany. Na dia ny 10 % amin' ny tany ihany aza no voavoly dia manan-danja eo amin' ny toekaren' i Iràna ny fambolena. I Iràna, ohatra, no mpamokatra antrendry voalohany indrindra maneran-tany. Izy koa no miantoka ny 20 %n' ny famokarana kaviara maneran-tany.