Jeôgrafian' i Israely
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Israely dia miresaka momba ny erana ao amin' ny Fanjakan' i Israely izay firenena ao amin' ny faritra Atsinanana Akaiky, any Azia. Ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea ity firenena ity. Mirefy 20 770 km2 ny velarany. Ankehitriny dia manana velarana mirefy 21 946 km2 i Israely. Mamaritra an' i Israely ao avaratra i Libàna (na Libanona), ao avaratra-atsinanana i Siria, any atsinanana i Jôrdania sy i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania), ary any atsimo-andrefana i Ejipta sy ny Salavantanin' i Gaza. I Israely dia manana morontsiraka ao amin' ny ranomasina telo, dia ny Ranomasina Mediteranea ao avaratra, sy ny Ranomasina Maty ao atsinanana, ary ny Ranomasina Mena ao atsimo (izay ampifandraisin’ ny Hoalan' i Aqaba).