Jeôgrafian' i Malỳ
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Malỳ dia iresahana indrindra ilay firenena ao Afrika Andrefana, tsy manana morontsiraka. Ny ampahany be amin’ ny tanin’ i Malỳ dia ao amin’ ny lohasahan’ ny ony Niger. I Bamako no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra-andrefana i Maoritania, ao andrefana i Senegaly, ao atsimo andrefana i Ginea, ao atsimo i Kôtidivoara, ao avaratra-atsinanana i Aljeria, ary ao atsimo-atsinanana i Borkina Fasô.
Mizara telo ny vohon’ ny tany ao Malỳ: ny faritra sahariana karankaina izay tsy dia ahitana zavamaniry firy; ny faritra saheliana somary maina izay ahitana hivoka anirian-kazo madinika; ary faritra anjakan’ ny hivoka anirian-kazo lehibe. Firenena manana toetany mafana sy maina i Malỳ ka matetika ianjadian’ ny haintany.