Jeôgrafian' i Oganda
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Oganda dia jeôgrafian' ny firenena ao Afrika Atsinanana, i Oganda, izay manana velaran-tany mirefy 241 038 km², tsy manana morontsiraka. Lembalemba avo no mamorona ny vohon' ny tany, izay manana salan-kaambo 1 200 m. Ao andrefana no ahitana ny tangorom-bohitr' i Ruwenzori izay manana tampona any amin' ny 5 109 m. Ny tapany atsimo dia anjakan' ny hivoka anirian-kazo fa ny afovoany sy ny andrefana kosa dia rakotra ala.