![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f5/Jean-Honor%25C3%25A9_Fragonard_-_Jeroboam_Offering_Sacrifice_for_the_Idol_-_WGA08049.jpg/640px-Jean-Honor%25C3%25A9_Fragonard_-_Jeroboam_Offering_Sacrifice_for_the_Idol_-_WGA08049.jpg&w=640&q=50)
Jerôbôama I
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jerôbôama I dia ilay mpanjaka nanorina ny Fanjakan' i Israely (atao hoe Fanjakan' i Samaria koa) tao amin' ny tapany avaratry ny Fanjakan' i Israely taloha izay tafasaraka tamin' ny Fanjakan' i Jodà any atsimo, araka ny Baiboly. Nanjaka teo anelanelan' ny taona 931 sy 910 tal. J.K. izy. Niteraka fisarahana ara-pivavahana teo amin' ny fanjakana avaratra sy atsimo koa izany fisarahana ara-pôlitika izany. Ao amin' ny Bokin' ny Mpanjaka roa sy ireo Bokin' ny Tantara roa no iresahana misimisy kokoa ny momba azy. Anisan' ny fokom-pirenen' i Efraima izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/f5/Jean-Honor%C3%A9_Fragonard_-_Jeroboam_Offering_Sacrifice_for_the_Idol_-_WGA08049.jpg/640px-Jean-Honor%C3%A9_Fragonard_-_Jeroboam_Offering_Sacrifice_for_the_Idol_-_WGA08049.jpg)