Kôntinenta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kôntinenta na tanibe dia tany midadasika mitohy hodidinin-dranomasina manontolo na amin' ny ampahany izay lehibe lavitra noho ny nosy sady onenan' ny vahoaka amin' ny firenana maro eto ambonin' ny Tany. Miovaova ny tena famaritana ny hoe kontinenta arakaraka ny taranja iresahana azy ka mahatonga ny isan'ny kontinenta hiôvaova. Misy ohatra ny mpanoratra manao an' i Eorôpa sy i Azia ho kontinenta roa, nefa misy ny manambatra azy ka miantso azy hoe Eorazia noho izy ireo tany mitohy tsy misy fahatapahany. Miova eo anelanelan'ny efatra sy fito noho izany ny isan' ny kôntinenta.
Ireto avy ireo kontinenta dimy eto ambonin'ny Tany: Afrika, Amerika (Amerika Avaratra sy Amerika Atsimo), Azia, Eorôpa ary Ôseania. Indraindray dia isaina ho kôntinenta manokana i Antarktika.