Krôma
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny krôma dia singa simika manana ny eva simika Cr sy laharana atômika 24. Izy no singa voalohany ao amin' ny vondrona 6. Miloko volondavenona izy ary mamirapiratra. Ny krôma tsotra dia metaly tetezamita.
Misy betsaka eo amin' ny natiora ny krôma, izy no singa faha-21 be indrindra amin' ny harin-tany. Ny lanja atômikany dia 51,996, miempo manodidina ny 1 875 °C, mangotraka manodidina ny 2 670 °C ary manana hakitroka 7,2 izy.
Ny krôma dia afaka manolo amin’ ny ampahany ny viraty na ny vy amin' ny mineraly maro, ka manome loko miavaka azy ireo. Vatosoa maro no manana ny lokony miavaka noho ny fisian’ ny krôma ao aminy. Vitsy ny akoran-krôma azo trandrahina, ny krômita na vy misy krôma (FeCr 2O4) no hany hita betsaka.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.