Kônstantino I
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kônstantino I na Kônstantino Lehibe dia emperora tao amin' ny Empira Rômana tamin' ny taonjato faha-4, tamin' ny taona 306 hatramin' ny taona 337, teraka tamin' ny 27 Febroary 274 tao Naisôsy (Νάῑσσος / Naissos) ao Mesia (Μοισία / Moisia, i Niš ao Serbia ankehitriny) ary maty tamin' ny 23 Mey 337 tao akaikin' i Nikômedia (Nicomedia). Izy no emperora voalohany niova ho kristiana. Izy koa no nanorina an' i Kônstantinôpôlisy (i Istanbul any Torkia ankehitriny), izay nataony renivohitry ny fanjakany ka nitoetra ho renivohitry ny Empira Bizantina hatramin' ny taona 1453. Amin' ny teny latina dia atao hoe Flavius Valerius Aurelius Constantinus izy ary amin' ny teny grika dia Κωνσταντῖνος / Konstantinos.
Kônstantino I | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Kônstantino I | ||
Teraka | 27 Febroary 274 | ||
Maty | 23 Mey 337 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Rôma Taloha, Empira Rômana | ||
Asa : |
| ||
Fiainana manokana | |||
Na dia nambaran’ ny miaramilany tamin’ ny fomba tsy ara-dalàna ho Aogosto aza izy tamin' ny voalohany, tamin' ny nahafatesan' i Kônstantio Klôro rainy tamin' ny taona 306, dia neken' ny emperora Galerio tamin' ny taona 310 ny fanjakany, ary nitohy tsy nisy tapaka mandra-pahafatiny tamin' ny taona 337. Nahavita nampiray ny fahefan' ny Empira izy tamin' ny taona 324 tamin' ny nandreseny an' i Likinio, izay niaraka emperora taminy, ka namarana ny Tetrarkia izay naharitra valo amby telopolo taona. Izy irery àry no tompon’ ny Empira Rômana nandritra ny telo ambin' ny folo taona.
Ny emperora Kônstantino I dia nitondra fanavaozana lalina teo amin' ny fiainana pôlitika ara-tafika sy ara-pivavahana ary ara-toekarena, izay nahafahany nampiray ilay Empira malemy sy nizarazara teo ambany fahefany irery. Nesoriny ny emperora Maksentio (Maxentius) tamin' ny taona 312 (Ady teo amin' ny Tetezan' i Milvio) sy i Likinio (Licinius) tamin' ny taona 324 (Ady tao Adrianôplôlisy). Tamin' ny fanjakany no nisian' ny fametrahana ny fahalalahan' ny fanompoam-pivavahan' ny tsirairay, izay nampitsahatra ny fanenjehana ny Kristiana (Didin' i Milano tamin' ny taona 313).
Nampitsahatra vetivety ny fisaraham-bazana teo amin' ny Fiangonan' ny Atsinanana izy tamin’ ny fampiantsoana ny Kônsily voalohany tao Nikea (taona 325), ary nanamafy ny fahefany teo amin’ny sehatra ara-pivavahana: io no atao hoe kaisarôpapisma na sezarôpapisma. Nanao vola marin-toerana izy (ny solidus, 312), namolavola ny fitantanan-draharaha foibe, niaro ny sisin-tanin’ny Empira tamin’ ny fanafihana nataon' ny Franka, ny Alamàna, ny Sarmatiana, ny Gôty ary ny Sasanida. Tamin' ny taona 330 dia nanangana renivohitra tamin' ny anarany izy, dia i Kônstantinôpôlisy na Kônstantinôpla (i Istanbul ankehitriny any Torkia).
Ny fanavaozana nataony dia tena nanosika ny fitomboan' ny kristianisma, izay nitodihany tsikelikely, ary lasa nahatonha azy ho anisan' ny olo-masin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa sy olo-masina amin' ny fiangonana sasany ao amin' ny Eglizy Katôlika, amin' ny anarana hoe "Kônstantino Lehibe".