Lalàmpanorenan' i Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara dia lalàna fototra mamaritra ny foto-kevitra iorenan' ny Fanjakana malagasy, mifehy ny fifandraisana misy eo amin' ny mpitondra sy ny vahoaka entina, mamaritra ny fandaminana sy ny fiasa ary ny fifandraisan' ny andrim-panjakana, miaro ny zo sy ny fahalalahan' ny olom-pirenena amin' ny fanararaotam-pahefana mety hataon' ny mpampiasa ny fahefam-panjakana, milaza ny fomba fifidianana ny filohan' ny Repoblika sy ny faharetan' ny fijanonany eo amin' ny fitondrana, ny fomba fanaovana ny lalàna sy ny olona afaka manao izany, ny fomba atao raha hanova ny lalàmpanorenana, sy ny fepetra maro hafa.
Voasoratra sy voarindra anaty tahirin-kevitra tokana ny Lalampanorenan' i Madagasikara hatramin' izay nahazoany ny fahaleovantenany. Manana fahefana ambony kokoa noho ny lalàna tsotra sy ny fitsipika hafa rehetra eto amin' ny tanim-pirenena malagasy ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara.
Ny Lalàmpanorenan' ny Repoblikan' i Madagasikara ankehitriny dia nolanina taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin' ny 17 Nôvambra 2010 nandritra ny Tetezamita (2009-2014). Nambara tamin' ny 11 Desambra tamin' io taona io ihany izany, ary nampiditra ny firenena malagasy ao amin' ny Repoblika Fahefatra tamin' ny fanakatonana ny Lalàmpanorenan' ny taona 1992. Ny Lalàmpanorenana voalohan' i Madagasikara dia tamin' ny taona 1959.