![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0b/%2527The_Raising_of_Lazarus%2527%252C_tempera_and_gold_on_panel_by_Duccio_di_Buoninsegna%252C_1310%25E2%2580%259311%252C_Kimbell_Art_Museum.jpg/640px-%2527The_Raising_of_Lazarus%2527%252C_tempera_and_gold_on_panel_by_Duccio_di_Buoninsegna%252C_1310%25E2%2580%259311%252C_Kimbell_Art_Museum.jpg&w=640&q=50)
Lazarôsy avy any Betania
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Lazarôsy na Lazara dia olona nifanerasera tamin' i Jesoa, izay tantaraina ao amin' ny Testamenta Vaovao, araka ny Evanjelin' i Joany (Joa. 11), fa maty nandritra ny efatra andro sady efa nalevina tany am-pasana, ka novohana dia nitsangan-ko velona araka ny baikon' i Jesoa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0b/%27The_Raising_of_Lazarus%27%2C_tempera_and_gold_on_panel_by_Duccio_di_Buoninsegna%2C_1310%E2%80%9311%2C_Kimbell_Art_Museum.jpg/320px-%27The_Raising_of_Lazarus%27%2C_tempera_and_gold_on_panel_by_Duccio_di_Buoninsegna%2C_1310%E2%80%9311%2C_Kimbell_Art_Museum.jpg)
Araka ny Evanjelin' i Joany dia sakaizan' i Jesoa i Lazarôsy, sady anadahin' i Marta sy i Maria avy any Betania. Nonina tao Betania, izay tanàna kely niorina teo amin' ny ilany atsinan' ny tendrombohitra Analanôliva (na Tendrombohitra Ôliva), izy ireo. Araka ny Evanjelin' i Joany ihany (Joa 12.10), taorian' ny nananganana azy tamin' ny maty dia nikasa ny hamono azy indray ny mpisoron-dehibe (i Kaiafa sy i Anàna).
Ny anarany dia avy amin' ny anarana arameana sy hebreo hoe אלעזר / Elʿāzār ("nanampy Andriamanitra). Io anarana io ihany koa no gasina hoe Eleazara.