![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/72/Mansfeld_-_Vom_Schloss_mit_Rapsfeld.jpg/640px-Mansfeld_-_Vom_Schloss_mit_Rapsfeld.jpg&w=640&q=50)
Mansfeld
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Mansfeld, izay atao hoe koa Mansfeld-Lutherstadt, dia tanàna ao amin' ny fanjakan' i Sachsen-Anhalt, any Alemaina, eo amin’ ny onin' i Wipper, 10 km avaratra-andrefan’ i Eisleben. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 9.770 tamin' ny taona 2009 ary 9.647 tamin' ny 31 Desambra 2011. Nihalehibe tao Mansfeld i Martin Lotera, ilay mpanavao fiangonana pôtestanta. Tamin' ny taona 1993 dia lasa iray amin' ny toerana enina ambin' ny folo any Alemaina notendrena ho Lutherstadt ("tanànan' i Lotera") ilay tanàna noho izany antony izany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/72/Mansfeld_-_Vom_Schloss_mit_Rapsfeld.jpg/640px-Mansfeld_-_Vom_Schloss_mit_Rapsfeld.jpg)